Appel à la réconciliation du Président Marc Ravalomanana

Antso ho an'ny vahoaka malagasy [français]

Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana,

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena, dia miantso ny vahoaka Malagasy ny tenako, amin'ny maha Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara ahy, mba ho tony sy hilamina ka tsy ho voarebirebin'ny fahavalom-pirenena intsony, izay tsy mikatsaka afa tsy ny fampisaraham-bazana ny samy Malagasy, ka hitandro hatrany ny firaisam-pirenena sy ny soa-toavina Malagasy izay miorina amin'ny fihavanana.

Iray tsy mivaky i Madagasikara ary iray toy izany koa ny vahoaka eo aminy. Tsy azo sandaina na vidiam-bola izany maha iray antsika izany, satria antokin'ny firaisam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena.

Ekena fa nisy ireo mpiray tanindrazana izay nania noho ny tsy fitovian-kevitra taorian'ny fifidianana tamin'ny faha 16 desambra 2001. Mazava ankehitriny ny voka-pifidianana fa lany amin'ny fomba ara-drariny sy ara-dalàna ny tenako. Hatao toy ny adin'ombalahin'ny mpianakavy: "ny maharesy tsy hobiana, ary ny resy tsy hakoraina".

Koa miantso anareo rehetra aho, na ireo izay nifidy ahy na ireo izay tsy nifidy ahy, mba hifanome tànana satria ny fampivoaram-pirenena dia tsy ho vitako izaho samy irery fa mila ny fifanohanan'ny ankolafin-kery rehetra. Asa vadidrano tokoa, ka tsy vita raha tsy hifanakonana.

Ndeha ary isika hibanjina sy hiatrika ny ho avy ary hanadino ny lasa sy izay rehetra nampisarasaraka satria izay mitambatra dia vato ary izay misaraka dia fasika. Aoka halavirin-tsika manomboka anio ny fifandrafiana sy ny fifankahalana. Ka ho toy ny molo-bilàny ny Malagasy rehetra, tsy misy zoviana fa indray mihodidina ihany.

Ho hajoro eto amin'ny firenentsika ary ny fahaiza-mitantana na ny "bonne gouvernance", ny mangarahara na ny "transparence" sy ny tan-dalàna na "état de droit" ka tsy hisy intsony Malagasy hihevitra ny tenany ho ambonin'ny lalàna, satria izany no antoky ny fahamarinana sy ny fahamasinana tiantsika ho hajoro.

Ho anareo izay efa nanohana ka mbola manohana hatrany hatramin'izao, dia miangavy anareo aho mba hanokatra ny fonareo ka handray ireny naman-tsika diso lalana ireny, ary hampandefitra ny hambom-po sy hampanjaka ny fihavanana sy ny firaisan-kina tena maha Malagasy antsika.

Aoka ho hadinoina hatreo ny fampisaraham-bazana sy ny fifandrafiana ary ny fifanenjehana ka handeha isika hiara-mizotra sy hifanotrona amin'ny fampandrosoana haingana ny tanindrazana hiombonana, satria ny tonga miaraka dia fanombohana ihany fa ny miasa miaraka no fahombiazana.

Ny adidy hono tsy an'olon-dratsy; koa alao hery ary, ry vahoaka Malagasy. Ndeha ary isika hiara-mientana ho amin'ny fampandrosoana haingana ny firenentsika, ka ho toy ny mpirahalahy mian'ala isika amin'izany, ka izaho tokinareo ary ianareo tokiko.

Tolona mavaivay ary ady sarotra nilàna fahafoizan-tena tanteraka no nijoroantsika efa ho enim-bolana izao. Mankasitraka sy mankatelina ny herim-po sy hambom-po nasehontsika Malagasy ny tenako. Vita ankehitriny ny fandravàna ireo barazy sy sakana maro samihafa izay natao tamim-pahendrena tanteraka ary tsy nahitàna herisetra na aina nafoy. Porofo mampiseho ny fahaizantsika Malagasy mandrindra fihavanana izany. Mankasitraka ihany koa ny foloalindahy sy ny vahoaka izay nampiseho firaisan-kina tanteraka tamin'ny fandravana ireny barazy ireny.

Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana,Sarobidy ny tanindrazana, koa mbola miantso anareo aho hamitrana ny fihavanana, ary hilofo kosa amin'ny fampandrosoana marina ao anatin'ny fihavanam-pirenena. Amin'ny maha Filohan'ny firenena Malagasy ahy dia tsy hikoso maso aho amin'ny ezaka hampanjakana ny firaisan-kinam-pirenena.

Masina ny tanindrazana. Homba antsika anie Andriamanitra.

--------------------------------------------------------------------------------

Appel au peuple malgache

Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana,

Face à la situation de la nation, en ma qualité de Président de la République de Madagascar, j'appelle le peuple malgache à rester serein et calme et à ne plus se laisser entraîner par les ennemis de la nation qui ne cherchent qu'à diviser les Malgaches, et à préserver l'unité nationale et la culture malgache basée sur le "fihavanana".

Madagascar est un et indivisible, et il en est de même de sa population. Cette unité qui est la nôtre ne doit pas être monnayée car elle garantit l'unité et la souveraineté de la nation.

Il est incontestable que certains de nos compatriotes se sont égarés à cause de divergence d'opinions après les élections du 16 décembre 2001. Maintenant, les résultats de ces élections sont clairs et je suis élu d'une manière légitime et légale. Mais suivons la sagesse malgache: en famille, on n'applaudit pas le vainqueur et on ne hue pas le vaincu dans un combat de taureau!

Aussi, j'en appelle à vous tous, aussi bien ceux qui m'ont élu que ceux qui ne l'ont pas fait, donnons- nous la main, car je ne pourrai pas assumer seul le progrès du pays: j'aurai besoin de l'assistance de toutes les forces de la nation. Asa vadidrano tokoa, ka tsy vita raha tsy hifanakonana.

Faisons face à l'avenir, oublions le passé et tout ce qui nous a divisé, car ensemble, nous serons aussi solide qu'un roc, mais divisés, nous ne serons que du sable sans force. Il nous faut, à partir d'aujourd'hui, écarter les rivalités et les rancœurs afin que nul Malgache ne soit dissocié de la communauté. Ka ho toy ny molo-bilany ny Malagasy rehetra, tsy misy zoviana fa indray miodidina ihany.

La bonne gouvernance, la transparence et l'état de droit seront établis dans notre nation pour qu'aucun Malgache ne se croit plus jamais au dessus de la loi, car c'est ce qui garantit la justice et la souveraineté que nous voulons instaurer dans notre pays.

Vous qui m'avez soutenu et qui continuez à me soutenir jusqu'à maintenant, je vous conjure d'ouvrir votre cœur pour accueillir nos amis qui se sont égarés, de taire l'orgueil et de faire régner le "fihavanana" et la concorde qui sont l'essence de notre malgachéité.

Oublions les divisions, les rivalités et les poursuites réciproques pour avancer ensemble et collaborer dans le développement rapide de notre patrie, car se présenter ensemble n'est que le commencement, c'est le travail coordonné qui assure la réussite. Il est dit que la responsabilité n'appartient pas aux malfaiteurs, alors, armons-nous de vaillance ! Mettons-nous en marche ensemble vers le développement rapide de notre pays, tels deux frères au milieu de la forêt: je suis votre appui et vous êtes mon soutien.

Nous avons tenu six mois une lutte acharnée et un combat difficile qui ont exigé une totale abnégation. J'apprécie et je loue le courage et la fierté dont nous, Malgaches, avons fait preuve tout au long de cette période. Le démantèlement des barrages et obstacles divers est effectif aujourd'hui, et ce, dans un esprit de retenue et de sagesse, sans qu'il y ait eu d'exactions et d'effusion de sang. C'est la preuve de notre sens malgache de la concorde. Je félicite par la même occasion l'armée et le peuple qui ont fait montre de solidarité totale lors de la destruction de ces barrages.

Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana, Chère est la patrie, aussi, je réitère mon appel pour que le "fihavanana" se renoue et qu'il y ait un effort réel pour un vrai développement dans un esprit de concorde. En ma qualité de Président de la République de Madagascar, je ne ménagerai aucun effort pour faire régner l'unité nationale.

La patrie est sacrée. Que Dieu nous garde!