Repoblikan’i Madagasikara
Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana
______________________
Masoivohon’i Madagasikara
Berlin-Falkensee
_______________

Ho antsika MpirayTanindrazana rehetra
sy ny Sakaizan’i Madagasikara
monina eto Alemana, Aotrisy, Danemark, Finlande, Iceland
Norvezy ary Suède.
-----oOo-----

Tompoko,

Faly mamangy anareo isan-tokantrano sy isambatan’olona amin’ny alalan’ity taratasy ity izahay.
Miarahaba antsika jiaby nahatratra ny Noely na Krismasy 2007 sy ny Taona Vaovao 2008. Mirary ny Soa sy ny Fahombiazana ho anareo  tsirairay avy : ny Kilonga madinika, ianareo tanora, ny lehibe ary ianareo ray aman-dreny.
Nivalona iny ny taona 2007. Maro ny zava-nisongadina teo amin’ny fiainan’ny Firenentsika. Singanina amin’izany :

  • teo amin’ny lafiny politika sy ny fitantanandraharahampanjakana : ny nanavaozan’Andriamatoa Filoham-pirenena ny fianianany, teo Imahamasina ny faha- 19 Janoary, mialoha ny hanohizany ny andraikitra sy adidy napetraky ny vahoaka aminy, ho amin’ny dimy taona manaraka indray. Ireo fifidianana nifanesy natrehan’ny vahoaka malagasy (fanitsiana ny Lalam-panorenana, Solombavambahoaka, Kaominina).
  • teo amin’ny fifandraisantsika amin’ny aty ivelany : mivelatra hatrany ary efa manana toerany i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny  Firenena Afrikana sy ny  Vondron’ny Tany an-dalam-pandrosoana, dia lasa fitarikandro ilay nailikilika, 05 taona lasa izay.
    Hoantsika manokana aty amin’ny tapany avaratr’i Eoropa dia mihamafy ny fatoram-pihavanantsika amin’ireo Firenena toy ny Alemana sy Norvezy (izay samy country partner). Mitombo sy mivelatra ireo sehatra ifanomezan-tanana eo amin’ny sehatry ny Fanjakana, ny Secteur privé, ny ONG. Manamafy izany ny famangian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika indroa taty Alemana tamin’ity taona 2007 ity. Ireo Firenena hafa izay somary mangatsiatsiaka ihany ny fifandraisana teo ho eo, dia mifoha ankehitriny ary mihamafana. Anisan’ny ifantohan’ny ezaka hataon’ny Masoivoho ny fanohizana sy ny fanamafisana ny fampahafantarana ny Nosintsika any amin’ireo Firenena ireo amin’ity taona manaraka ity ary hitarihana azy ireo hanao fandraharahana amin’i Madagasikara na amin’ny ankapobeny na any amin’ny Faritra.
  • teo amin’ny lafiny fanatanjahantena. Tsaroantsika loatra ny Lalaon’ny Ranomasimbe Indiana fahafito (7e Jeux des Iles de l’Ocean Indien) sy ny fandresena miezinezina azon’i Madagasikara. Tany amin’ny taona 1990 isika no nampiantrano ity lalao iraisam-pirenena ity (Lalao fahatelo tamin’izay).

 

  • ny fanombohana ny fanatanterahana ny soritr’asa MADAGASIKARA AMPERINASA (MAP) 2007-2012). Lasa fianarana aty Afrika i Madagasikara, nahatafavoaka ity fomba fiasa manara-penitra ity. Eken’ny rehetra izay. Ireo Vondrona Mpamatsy vola dia namaly ny antso natao. Ireo mpandraharaha, ihany koa dia afaka nisavasava ifotony ny lalana hizorany eo amin’ny fandraharahana izay hataony, sns…

Ny tao-trano anefa tsy efan’irery, no tsy vita indray andro ihany koa. Antsika jiaby i Madagasikara. Mila antsika tsirairay hitondra ny anjarabiriky, araka ny talentanao, ny fahaizanao ary ny fanomezam-pahasoavanao. Tsy fotoan’ny resabe intsony izao, fa avadio ho asa any amin’ny Faritra ilay fikasanao.

Hanao soroka miara-milanja ianao sy ny Masoivoho. Hifanome tanana hiara-hibata isika. Marina fa misy ny meloka tokony ahitsy, ny toko tapaka , ny  vilany mitongilana. Ny sakantsakana sy ny fifikirana amin’ny fahazaran-dratsy. Eto isika,  tsirairay hiara-hanarina ny mitongilana, hiara-hanitsy ny bingo.

Mandroso hatrany isika fa tsy mierikerika, hankany amin’ny LALAN’NY FAMPANDROSOANA. Tsy zava-mora izany. Tsy misy anefa ny mafy tsy laitran ny zoto. Ary tena manana ny anjara toerany ny Diaspora na ny zanak’ampelezana aty andafy.
Manantitra ny Firariantsoa, ho antsika isan-tokantrano, Tompoko.

Ho fandraisantsika ny taona vaovao dia hisy fanompoampivavahana iraisampinoana, hataontsika ny Alahady faha-27 Janoary 2008 ao amin’ny Fiangonana

Evangelisch -Freikirchliche Gemeinde “Bethel”
Matternstraße 17/18
D-10249 Berlin- Friedrichshain
<<< Stadtplan >>>

 manomboka amin’ny 1 ora  tolakandro. Aorian’izay dia hisy sakafom-piraisana sy koranam-pianakaviana hiarahantsika, ao an-toerana ihany
Dia ho samy tahian’Andriamanitra e!

 

RALISON Alphonse
Ambasadaoro

 

- Seepromenade 9 2    - D-14612 Falkensee    - Phone +49 3322-23 140    - Fax: +49 3322-23 14 29
Deutsche Bank AG, Berlin
Kontonummer: 0669150 - BLZ: 10070000
E-mail: info@botschaft-madagaskar.de
www.botschaft-madagaskar.de