REPUBLIK MADAGASKAR
Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana
-------------
BOTSCHAFT VON MADAGASKAR
Seepromenade 92 – 14612 Falkensee
Tel: 0160 93 46 30 27 – Fax: 03322/23 01 52
-------------


HO


AN’NY TERATANY MALAGASY REHETRA MONINA ETO ALEMAINA SY ANY DANEMARKA, SOEDA, NORVEGY, FINLANDY, ISLANDY ARY AOTRISY
-------------

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Hanao fitsidihana aty Alemaina Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, Prezidàn’ i Madagasikara ka handalo amin’ireto toerana ireto : München, Berlin ary Bremen.

  • Noho ny fisaratsarahan’ny toerana sy ny tokantrano samy manana;
  • Noho ny fahasarotan’ny fahitana toerana malalaka hihaonana; ary,
  • Ho fanomezam-boninahitra ny Ray amandreny mandalo

dia nokasaina ireto fandaharam-potoana ireto hihaonana amin’ny Prezidà :

  • München (*) : 29 Janoary 2003 / 9 ora sy sasany – 10 ora alina
  • Ambasady Falkensee : 31 Janoary 2003 / 5 ora- 5 ora sysasany hariva
  • Bremen (*) : 02 Febroary / 3 ora – 3 ora sy sasany hariva

Miala tsiny indrindra raha izao vao afaka mampandre, fa ny tao trano tsy efan’ny irery, ary Antananarivo tsy vita indray andro.

Dia manao veloma finaritra sy manantena ny fiaraha-mientana avy amintsika mianakavy.

Antsoy ny Ambasady tel: 03322/23 14 0

(*) : München: amin’ny 10 – 5 ora hariva ny 28/01/03
(*) : Bremen : amin’ny 10 – 5 ora hariva ny 30/01/03

 

Falkensee-faha 27 Janoary 2003

Ny Ambasadaoro

Denis ANDRIAMANDROSO